<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>812</hymn_number>
<title>Ry Jeso Zokinay o FFPM812</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso Zokinay ô !
 Jeso malalanay,
 Henoy ny vavakay izao,
 Fa zandrinao izahay.

[V2]
 Ny batisa no nandio
 Anay ho zandrinao,
 Ka dia mba tahio
 Hanaraka Anao.

[V3]
 Ry Zokinay malala,
 Arovy izahay,
 Fa be ny manadala,
 Manimba ny fonay.

[V4]
 Ry Zokinay malala,
 Trotroy ny zandrinao,
 Rehefa mba hiala
 Ho any aminao.</lyrics>
</song>